<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.A. Arne</author>
<title>Jereo ny fahorianay FFPM572</title>
<lyrics>[V1]
 Jereo ny fahorianay
 Andriamanitra ô !
 Marary izao ny namanay,
 Ka dia mba iantrao.

[V2]
 Raha sitrakao ry Tomponay !
 Valio ny vavakay,
 Fa mora reraka izahay,
 Tohano sy ampio.

[V3]
 Ny fitondrana tianao
 No iankinanay ;
 Ny didy avy aminao,
 Izay no sitrakay.

[V4]
 Sitrano ny fanahinay
 Ho tonga zanakao,
 Tariho lalana izahay
 Hankany aminao.</lyrics>
<hymn_number>572</hymn_number>
</song>